-
Ecclesiastes 2
- 1 Hoy izaho anakampo: Aoka mba hizahako toetra amin’ ny hafaliana ianao, ka dia mifalia amin’ ny fahitana ny fahafinaretana; kanjo, indro, zava-poana koa izany.
- 2 Hoy izaho, miantso ny fihomehezana: Fahadalana, ary ny fifaliana hoe: Mahefa inona?
- 3 Nisaina tato am-poko hamalifaly ny nofoko tamin’ ny divay aho (ny foko anefa mbola hitondra azy amin’ ny fahendrena ihany) ary hitana ny fahadalana, mandra-pahitako izay tsara ho an’ ny zanak’ olombelona ka tokony hataony atỳ ambanin’ ny lanitra amin’ ny andro vitsy iainany.
- 4 Nanao asa lehibe ho ahy aho, nanao trano, nanao tanim-boaloboka,
- 5 nanao tanimboly sy saha aho ka namboly hazo fihinam-boa samy hafa karazana tao;
- 6 nanao kamory aho handemana ny ala be zana-kazo;
- 7 nahazo ankizilahy sy ankizivavy aho sady nanana ompikely; ary nanana fananana be aho, dia omby sy ondry aman’ osy mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema.
- 8 Nihary volafotsy sy volamena koa aho ary fanaka tsara fananan’ ny mpanjaka sy izay avy amin’ ny tany samy hafa; ary nahazo mpihiralahy sy mpihiravavy aho mbamin’ izay mahafinaritra ny zanak’ olombelona, dia vady sy vaditsindrano betsaka.
- 9 Dia efa nisandratra mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema aho; ary ny fahendreko anefa dia mbola tato amiko ihany.
- 10 Ary na inona na inona nirin’ ny masoko dia tsy nisy narovako taminy; tsy nisakana ny foko tamin’ izay mety ho fifaliana aho; fa nahazo hafaliana avy tamin’ ny fisasarako rehetra ny foko; ary izany no anjarako avy tamin’ ny fisasarako rehetra.
- 11 Kanefa nitodika aho nandinika ny asa rehetra nataon’ ny tanako sy ny fisasarana izay nisasarako, ka, indreo, zava-poana sy misambo-drivotra foana izany rehetra izany, fa tsy nisy nahasoa tatỳ ambanin’ ny masoandro.
- 12 Ary nitodika aho hijery ny fahendrena sy ny fahaverezan-tsaina ary ny fahadalana; fa inona no hataon’ ny olona izay handimby ny mpanjaka? Izay efa natao hatramin’ ny ela ihany.
- 13 Dia hitako fa ny fahendrena dia tsara’ noho ny fahadalana, toy ny fahatsaran ny mazava noho ny maizina.
- 14 Ny mason’ ny hendry dia eo an-dohany; fa ny adala kosa mandeha amin’ ny maizina; nefa hitako fa mitovy ihany ny manjo azy roa tonta.
- 15 Dia hoy izaho anakampo: Mitovy amin’ ny manjo ny adala ihany ny manjo ahy, koa nahoana ary no nanan-tombom-pahendrena aho? Dia hoy izaho anakampo: zava-poana koa izany.
- 16 Fa samy tsy misy fahatsiarovana mandrakizay na ny hendry na ny adala; fa amin’ ny andro ho avy dia samy ho hadino ela izy. Indrisy! samy ho faty na ny adala na ny hendry.
- 17 Dia efa halako ny aina, satria nataoko ho ratsy ny asa atao atỳ ambanin’ ny masoandro; fa zava-poana sy misambo-drivotra foana izy rehetra.
- 18 Eny, efa halako ny fisasarako rehetra izay nisasarako tatỳ ambanin’ ny masoandro, fa havelako ho an’ ny olona izay handimby ahy izany,
- 19 ary iza no mahalala na ho hendry na ho adala izy? Nefa izy no ho tompon’ izay rehetra nisasarako sy nataoko tamin’ ny fahendreko tatỳ ambanin’ ny masoandro. Zava-poana koa izany.
- 20 Dia nitodika aho hampamoy ny foko amin’ ny fahakiviana ny amin’ ny fisasarana rehetra izay nisasarako tatỳ ambanin’ ny masoandro.
- 21 Fa misy olona izay misasatra amin’ ny fahendrena sy ny fahalalana ary ny fahaizana, nefa ny olona izay tsy nisasatra tamin’ izany akory no tsy maintsy hamelany azy ho lovany. Zava-poana sy faharatsiana lehibe koa izany.
- 22 Fa inona no azon’ ny olona amin’ ny fisasarany rehetra sy amin’ ny fikatsahan’ ny fony, izay nisasarany tatỳ ambanin’ ny masoandro?
- 23 Fa ny androny rehetra dia fanaintainana avokoa, ary ny fisasarany dia fahasorisorena; eny, na dia amin’ ny alina aza dia tsy manam-pitsaharana ny fony. Zava-poana koa izany.
- 24 Tsy misy mahasoa ny olona mihoatra noho ny mihinana sy misotro ary ny mampahafinaritra ny tenany amin’ ny fisasarany. Izany koa aza dia efa hitako fa avy amin’ ny tànan’ Andriamanitra
- 25 (fa iza no mahalany, ary iza no mahazo manaram-po mihoatra noho izaho?).
- 26 Fa ny olona izay ankasitrahan’ Andriamanitra dia omeny fahendrena sy fahalalana ary fifaliana; fa ny mpanota kosa ampiasainy hanangona sy hamory, mba hisy homeny izay ankasitrahan’ Andriamanitra. Zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.