-
Leviticus 27
- 1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
- 2 Mltenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Raha misy olona hanala voady, dia ho an’ i Jehovah izy araka izay hataonao tombany.
- 3 Ary ny hataonao tomban’ ny lehilahy hatramin’ ny roa-polo taona ka hatramin’ ny enim-polo taona dia sekely volafotsy dimam-polo araka ny sekely masìna;
- 4 fa raha vehivavy, dia sekely telo-polo kosa no hataonao tombany.
- 5 Ary raha hatramin’ ny dimy taona ka hatramin’ ny roa-polo taona izy, dia sekely roa-polo no hataonao tomban’ ny lehilahy; ary raha vehivavy, dia sekely folo kosa.
- 6 Ary raha hatramin’ ny iray volana ka hatramin’ ny dimy taona, dia sekely volafotsy dimy no hataonao tomban’ ny zazalahy; ary sekely volafotsy telo kosa no hataonao tomban’ ny zazavavy.
- 7 Ary raha hatramin’ ny enim-polo taona no ho miakatra izy, raha lehilahy, dia ho sekely dimy ambin’ ny folo no hataonao tombany; ary raha vehivavy, dia sekely folo kosa.
- 8 Ary raha malahelo kosa izy ka tsy mahaloa izay hataonao ho tombany, dia ho entina eo anatrehan’ ny mpisorona izy, ary ny mpisorona hanombana azy; araka izay takatry ny ananan’ ilay nivoady no hanombanan’ ny mpisorona azy.
- 9 Ary raha biby fiompy izay fanao fanatitra ho an’ i Jehovah, dia ho masìna ho an’ i Jehovah izay rehetra omena amin’ izany.
- 10 Tsy hanova na hanakalo izany izy, na ny tsara ho solon’ ny ratsy, na ny ratsy ho solon’ ny tsara; ary raha biby no atakalony biby, dia samy ho masìna Izy sy ny takalony.
- 11 Fa raha biby maloto izay tsy fanao fanatitra ho an’ i Jehovah kosa izany, dia ho entina eo anatrehan’ ny mpisorona izy;
- 12 ary ny mpisorona hanombana azy, na tsara, na ratsy; koa araka izay hataonao mpisorona tombany no izy.
- 13 Fa raha ta-hanavotra azy ny tompony, dia hampiany ho tonga avy fahenina izay nataonao tombany.
- 14 Ary raha misy olona manamasìna ny tranony ho an’ i Jehovah, dia hotombanan’ ny mpisorona ny trano, na tsara, na ratsy; koa araka izay hataon’ ny mpisorona tombany no izy.
- 15 Ary raha tian’ ny tompony havotana ny tranony izay nohamasininy, dia hampiany ho tonga avy fahenina ny vola nataonao tombany, dia ho azy ny trano.
- 16 Ary raha misy olona manamasìna ho an’ Jehovah ny sasany amin’ ny zara-taniny, dia hotombananao izy araka ny voan-javatra famafy eo; ny voam-bary hordea iray homera hotombananao sekely volafotsy dimam-polo.
- 17 Raha misy manamasìna ny taniny, raha vao afaka ny Jobily, dia araka izay hataonao tombany no izy.
- 18 Fa raha misy manamasìna ny taniny ao aorian’ ny Jobily, dia holazain’ ny mpisorona aminy ny vola araka ny taona sisa, dia hatramin’ ny taona Jobily, ary hahena araka izany no hanaovanao ny tombany.
- 19 Ary raha tian’ ilay nanamasina azy havotana ny tany, dia hampiany ho tonga avy fahenina ny vola nataonao tombany, ka dia ho tapaka ho azy.
- 20 Ary raha tsy hanavotra ny tany izy, na efa nivarotra azy tamin’ olon-kafa, dia tsy ho azo avotana intsony izany.
- 21 Fa raha afaka amin’ ny Jobily ny tany, dia ho masìna ho an’ i Jehovah tahaka ny saha voatokana izany; ny mpisorona no ho tompony.
- 22 Ary raha misy manamasìna ho an’ i Jehovah ny tany novidiny, izay tsy amin’ ny zara-taniny,
- 23 dia holazain’ ny mpisorona aminy ny hevitry ny ataonao tombany, dia hatramin’ ny taona Jobily; ary dia handoa izay nataonao tombany amin’ izany andro izany izy ho zava-masìna ho an’ i Jehovah.
- 24 Amin’ ny taona Jobily no hodian’ ny tany amin’ izay nividianana azy, dia ho an’ izay tompon-dova.
- 25 Ary ny tombany rehetra izay hataonao dia ho araka ny sekely masìna: ho gera roa-polo ny sekely iray.
- 26 Fa ny voalohan-teraky ny biby fiompy, dia izay voalohan-teraka ho an’ i Jehovah, aoka tsy hisy olona hanamasina izany, na omby, na ondry, na osy, fa an’ i Jehovah izany.
- 27 Fa raha biby maloto kosa, dia havotany araka izay hataonao tombany, ary hampiany ho tonga avy fahenina; fa raha tsy havotana izy, dia hamidy araka izay nataonao tombany.
- 28 Kanefa ny zavatra rehetra izay atokan’ ny olona ho an’ i Jehovah amin’ izay ananany, na olona, na biby fiompy, na tany izay fananany, dia tsy hamidy, na havotana; masìna dia masìna ho an’ i Jehovah ny zavatra rehetra izay atokana.
- 29 Ny olona rehetra izay atokana dia tsy havotana, fa hatao maty tokoa.
- 30 Ary ny ampahafolon’ ny vokatra rehetra ao amin’ ny tany, na avy amin’ ny tanimbary, na avy amin’ ny saha, dia an’ i Jehovah; masìna ho an’ i Jehovah izany.
- 31 Ary raha misy tian’ ny tompony havotana ny ampahafolon’ ny vokatra, dia hampiany ho tonga avy fahenina izy.
- 32 Ary ny amin’ ny ampahafolon’ ny omby, na ny ondry, na ny osy, dia ny ampahafolon’ izay rehetra mandalo eo ambanin’ ny tehin’ ny mpiandry, ho masìna ho an’ i Jehovah.
- 33 Tsy hizaha ny tsara na ny ratsy izy, ary tsy hanakalo azy; ary raha misy takalozany, dia samy ho masìna avokoa izy sy ny takalony ka tsy havotana.
- 34 Ireo no didy izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy ho amin’ ny Zanak’ Isiraely teo an-tendrombohitra Sinay.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.