-
Leviticus 2
- 1 Ary raha misy manatitra fanatitra hohanina ho an’ i Jehovah, dia koba tsara toto no hataony fanatiny; ary hanidina diloilo aminy izy sy hanisy ditin-kazo mani-pofona eo amboniny.
- 2 Ary hitondra azy ho amin’ ireo mpisorona, zanak’ i Arona, izy, dia handraofan’ ireo eran-tànan-ila ny kobany sy ny diloilony mbamin’ ny ditin-kazo manipofona rehetra; ary hodoran’ ny mpisorona ho fofona eo ambonin’ ny alitara izany fanati-pahatsiarovana avy aminy izany; dia fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah izany.
- 3 Ary ny sisa amin’ ny fanatitra hohanina dia ho an’ i Arona sy ny zanany; ho masìna dia masìna avy amin’ ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah izany.
- 4 Ary raha manatitra fanatitra hohanina voaendy amin’ ny fanendasa-mofo ianao, dia aoka ho mofo tsy misy masirasira atao amin’ ny koba tsara toto sady voaharo diloilo sy mofo manify tsy misy masirasira sady voahoso-diloilo.
- 5 Ary raha fanatitra hohanina voaendy amin’ ny lapoely no fanatitrao, dia aoka ho koba tsara toto voaharo diloilo sady tsy misy masirasira.
- 6 Hovakivakinao izy ary hanidinanao diloilo; dia fanatitra hohanina izany.
- 7 Ary raha fanatitra hohanina voahandro amin’ ny vilany no fanatitrao, dia koba tsara toto asian-diloilo no hatao.
- 8 Ary ho entinao ho an’ i Jehovah ny fanatitra hohanina izay atao amin’ ireo zavatra ireo; ary rehefa voatitra eo amin’ ny mpisorona izany, dia ho entiny eo amin’ ny alitara.
- 9 Ary ny mpisorona haka ny fanati-pahatsiarovana avy amin’ ny fanatitra hohanina ka handoro azy ho fofona eo ambonin’ ny alitara; dia fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah izany.
- 10 Ary ny sisa amin’ ny fanatitra hohanina dia ho an’ i Arona sy ny zanany; ho masìna dia masìna avy amin’ ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah izany.
- 11 Ny fanatitra hohanina rehetra, izay aterinareo ho an’ i Jehovah, dia aza asiana zava-maharikivy; fa ny masirasira sy ny tantely dia samy tsy hangalanareo hodorana ho fofona ho fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah;
- 12 fa ho fanatitra voaloham-bokatra ihany no hahazoanareo manatitra ireo ho an’ i Jehovah; kanefa tsy hakarina eo ambonin’ ny alitara ho hanitra ankasitrahana izany.
- 13 Ary samy asio sira ny fanatitra hohaninao rehetra; ary ny siran’ ny faneken’ Andriamanitrao dia aza atsahatra amin’ ny fanatitra hohaninao; fa manatera sira miaraka amin’ ny fanatitrao rehetra.
- 14 Ary raha manatitra fanatitra hohanina ho an’ i Jehovah avy amin’ ny voaloham-bokatra ianao, dia salohim-bary voaendy amin’ ny afo, dia lango avy amin’ ny salohy maitso, no haterinao ho fanatitra hohanina avy amin’ ny voaloham-bokatrao.
- 15 Ary hasianao diloilo izy, sady hasianao ditin-kazo mani-pofona eo amboniny; dia fanatitra hohanina izany.
- 16 Ary hodoran’ ny mpisorona ho fofona ny fanati-pahatsiarovana avy amin’ ny langony sy avy amin’ ny diloilony ary ny ditin-kazo mani-pofona rehetra; dia fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah izany.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.