-
Galatians 2
- 1 Ary nony afaka efatra ambin’ ny folo taona, dia niakatra tany Jerosalema indray izaho sy Barnabasy, ary Titosy dia nentiko niaraka tamiko koa.
- 2 Ary niakatra araka ny fanambarana aho, ka nambarako taminy ny filazantsara izay toriko any amin’ ny jentilisa, nefa nangingina ihany tamin’ izay manan-daza, fandrao ho mihazakazaka foana aho, na efa nihazakazaka foana.
- 3 Kanefa na dia Titosy izay niaraka tamiko aza, dia tsy mba noterena hoforana, na dia Grika aza izy,
- 4 dia noho ny rahalahy sandoka nampidirina misokosoko, izay niditra mangingina hisafo ny fahafahantsika, izay ananantsika ao amin’ i Kristy Jesosy, mba hanandevozany antsika;
- 5 fa tsy nety nikoy ireo izahay na dia ora iray monja aza, mba hitoeran’ ny fahamarinan’ ny filazantsara aminareo.
- 6 Fa ny amin’ ny olona atao ho manan-daza (na nanao ahoana na nanao ahoana izy dia tsy mampaninona ahy; Andriamanitra tsy mizaha tavan’ olona), izaho tsy nomen’ ireo manan-daza ireo saina na tamin’ inona na tamin’ inona.
- 7 Fa hafa kosa no nataony, fa nony hitany fa notolorana ny filazantsara ho adidiko ho an’ ny tsy voafora aho, tahaka an’ i Petera ho an’ ny voafora
- 8 (fa Izay niasa ho an’ i Petera hah’ Apostoly azy ho an’ ny voafora no niasa ho ahy koa ho an’ ny jentilisa),
- 9 ary nony fantatr’ i Jakoba sy Kefasy ary Jaona, izay natao ho andry, ny fahasoavana nomena ahy, dia notolorany ny tanana ankavanan’ ny fihavanana izaho sy Barnabasy, mba hankany amin’ ny jentilisa izahay, fa izy kosa ho any amin’ ny voafora.
- 10 Izao ihany no tiany, dia ny mba hahatsiarovanay ny malahelo, sady nahazoto ahy indrindra rahateo ny hanao izany.
- 11 Ary nony tonga tany Antiokia Kefasy, dia nanohitra azy nifanatrika aho, satria hita fa nanan-tsiny izy.
- 12 Fa fony tsy mbola tonga ny sasany any tany amin’ i Jakoba, dia niara-nihinana tamin’ ny jentilisa ihany izy; fa nony tonga ireo, dia nihatakataka izy ka niala, satria natahotra ny momba ny famorana izy.
- 13 Ary ny Jiosy sasany koa niara-nihatsaravelatsihy taminy, ka Barnabasy avy aza mba voataonan’ ny fihatsaram-belatsihiny koa.
- 14 Fa rehefa hitako fa tsy nandeha mahitsy araka ny fahamarinan’ ny filazantsara ireo, dia hoy izaho tamin’ i Kefasy teo anatrehan’ ny olona rehetra: Raha ianao izay tena Jiosy aza no manao tahaka ny fanaon’ ny jentilisa, fa tsy tahaka ny fanaon’ ny Jiosy, nahoana ny jentilisa no terenao hanao tahaka ny fanaon’ ny Jiosy?
- 15 Taranaky ny Jiosy isika, fa tsy mba mpanota avy amin’ ny jentilisa,
- 16 nefa nony fantatsika fa tsy hamarinina amin’ ny asan’ ny lalàna ny olona, fa amin’ ny finoana an’ i Jesosy Kristy, dia nino an’ i Kristy Jesosy koa isika mba hohamarinina amin’ ny finoana an’ i Kristy, fa tsy amin’ ny asan’ ny lalàna, satria tsy misy nofo hohamarinina amin’ ny asan’ ny lalàna.
- 17 Fa raha mitady hohamarinina ao amin’ i Kristy isika, nefa ny tenantsika no hita fa mpanota, moa mpanompo ny ota va Kristy? Sanatria izany!
- 18 Fa raha ny zavatra efa noravako no atsangako indray, dia mampiseho ny tenako fa diso aho.
- 19 Fa raha izaho, dia tamin’ ny lalàna no nahafatesako ny amin’ ny lalàna, mba ho velona ho an’ Andriamanitra aho.
- 20 Voahombo miaraka amin’ i Kristy amin’ ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin’ ny nofo dia ivelomako amin’ ny finoana ny Zanak’ Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy.
- 21 Tsy mahafoana ny fahasoavan’ Andriamanitra aho; fa raha avy amin’ ny lalàna ny fahamarinana, dia maty foana Kristy.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.