-
2 Chronicles 21
- 1 Ary Josafata lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao amin’ ny razany tao an-Tanànan’ i Davida izy; ary Jehorama zanany no nanjaka nandimby azy.
- 2 Ary nanan-drahalahy, zanak’ i Josafata, koa izy, dia Azaria sy Jehiela sy Zakaria sy Azaria sy Mikaela ary Sefatia; ireo rehetra ireo no zanak’ i Josafata, mpanjakan’ ny Isiraely.
- 3 Ary nomen-drainy harena betsaka ireo, dia volafotsy sy volamena ary zava-tsoa mbamin’ ny tanàna sasany mimanda tany Joda; fa ny fanjakana kosa dia nomeny an’ i Jehorama, satria izy no lahimatoa.
- 4 Ary raha vao nanjaka tamin’ ny fanjakan’ ny rainy Jehorama, dia nitombo hery izy ka namono ny rahalahiny rehetra mbamin’ ny mpanapaka sasany tamin’ ny Isiraely koa tamin’ ny sabatra.
- 5 Roa amby telo-polo taona Jehorama, fony izy vao nanjaka, ary valo taona no nanjakany tany Jerosalema.
- 6 Ary nandeha tamin’ ny lalan’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izy, dia tahaka ny nataon’ ny taranak’ i Ahaba fa zanakavavin’ i Ahaba no vadiny, eny, nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy.
- 7 Nefa Jehovah tsy nety nandringana ny taranak’ i Davida noho ny fanekena nataony tamin’ i Davida sy ny nilazany fa homeny jiro mandrakizay izy mbamin’ ny taranany.
- 8 Tamin’ ny andron’ i Jehorama no niodinan’ ny Edomita ka tsy nanoa ny Joda, fa nanangana mpanjaka ho azy izy.
- 9 Ka dia nivoaka Jehorama sy ireo mpanjaka nitondra ny kalesiny rehetra; ary nanaovany latsak’ alina ny Edomita izay nanodidina azy sy ny komandin’ ny kalesy.
- 10 Nefa ny Edomita mbola niodina ka tsy nanoa ny Joda ihany ambaraka androany. Ary tamin’ izany andro izany Libna koa niodina tsy nety nanoa an’ i Jehorama, satria efa nahafoy an’ i Jehovah, Andriamanitra ny razany, izy.
- 11 Ary nanao fitoerana avo teny an-tendrombohitr’ i Joda koa izy sady nampijangajanga ny mponina tany Jerosalema ary nitaona ny Joda mangingina hanao izany.
- 12 Ary nisy taratasy avy tamin’ i Elia mpaminany tonga tao aminy nanao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitr’ i Davida rainao: Noho ny tsy nandehananao tamin’ ny lalan’ i Josafata rainao, na ny lalan’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda,
- 13 fa nandeha tamin’ ny lalan’ ny mpanjakan’ ny Isiraely kosa ianao ka nampijangajanga ny Joda sy ny mponina any Jerosalema toy ny fijangajangan’ ny taranak’ i Ahaba, sady novonoinao koa ny rahalahinao nateraky ny rainao, izay tsara noho ianao,
- 14 dia, indro, hasian’ i Jehovah areti-mandringana ny vahoakanao sy ny zanakao sy ireo vadinao mbamin’ ny biby fiompinao rehetra;
- 15 ary ianao koa ho azon’ ny aretina mafy, dia aretina amin’ ny tsinainao, mandra-pialàlan’ ny tsinainao isan’ andro isan’ andro noho ny aretina.
- 16 Ary Jehovah namporisika ny Filistina sy ny Arabo izay ao akaikin’ ny Etiopiana hamely an’ i Jehorama;
- 17 ary niakatra tany Joda ireo ka nisesika tao, dia nobaboiny ny fananana rehetra izay an’ ny ankohonan’ ny mpanjaka mbamin’ ny zanany sy ny vadiny koa, ka tsy nisy zanany intsony, afa-tsy Joahaza faralahiny ihany.
- 18 Ary nony afaka izany rehetra izany, dia nasian’ i Jehovah aretina tsy azo sitranina tamin’ ny tsinainy izy.
- 19 Ary rehefa ela, nony afaka roa taona, dia nialàla ny tsinainy azon’ ny aretiny; ka dia maty tamin’ ny fangirifiriana mafy izy. Ary ny vahoakany tsy mba nandoro zavatra ho fisaonana azy toy ny nataony tamin’ ny razany.
- 20 Roa amby telo-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary valo taona no nanjakany tany Jerosalema; koa lasa tsy nisy nalahelo azy izy. Ary nalevina tao an-Tanànan’ i Davida ihany izy, nefa tsy mba tao amin’ ny fasan’ ny mpanjaka.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.