-
2 Kings 16
- 1 Tamin’ ny taona fahafito ambin’ ny folo nanjakan’ i Peka, zanak’ i Remalia, no vao nanjakan’ i Ahaza, zanak’ i Jotama, mpanjakan’ ny Joda.
- 2 Roa-polo taona Ahaza, fony izy vao nanjaka, ary enina ambin’ ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary tsy nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah Andriamaniny tahaka ny nataon’ i Davida rainy izy;
- 3 fa nandeha tamin’ ny lalan’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izy; eny, ny zananilahy aza dia nampamakiny ny afo, araka ny fahavetavetan’ ny jentilisa izay noroahin’ i Jehovah tsy ho eo anoloan’ ny Zanak’ Isiraely.
- 4 Ary namono zavatra hatao fanatitra izy sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin’ ny fitoerana avo sy teny amin’ ny havoana ary teny ambanin’ ny hazo maitso rehetra.
- 5 Ary tamin’ izany dia niakatra hanafika an’ i Jerosalema Rezina, mpanjakan’ i Syria, sy Peka, zanak’ i Remalia, mpanjakan’ ny Isiraely; ary nanao fahirano an’ i Ahaza izy, nefa tsy naharesy azy.
- 6 Tamin’ izany andro izany Rezina, mpanjakan’ i Syria, dia nahalasa an’ i Elota ho isan’ ny fanjakan’ i Syria ka nandroaka ny Jiosy hiala tao; ary ny Syriana nankany Elota ka monina ao mandraka androany.
- 7 Ary Ahaza naniraka olona ho any amin’ i Tiglato-pilesera, mpanjakan’ i Asyria, hanao hoe: Mpanomponao sy zanakao aho; miakara, ka vonjeo aho tsy ho azon’ ny mpanjakan’ i Syria sy ny mpanjakan’ ny Isiraely, izay efa mitsangana hiady amiko.
- 8 Ary nalain’ i Ahaza ny volafotsy sy ny volamena izay hita tao an-tranon’ i Jehovah sy tao amin’ ny rakitry ny tranon’ ny mpanjaka, dia nampanateriny ho fanomezana ho an’ ny mpanjakan’ i Asyria.
- 9 Dia nanaiky ny teniny ny mpanjakan’ i Asyria ka niakatra hamely an’ i Damaskosy ary nahafaka azy; dia nentiny ho any Kira ny olona nobaboiny, fa Rezina kosa novonoiny.
- 10 Ary nandeha Ahaza mpanjaka hitsena an’ i Tiglato-pilesera, mpanjakan’ i Asyria, any Damaskosy; ary nony nahita ny alitara tao Damaskosy izy, dia nampitondra ny mariky ny alitara sy ny sariny araka ny fombany rehetra ho any amin’ i Oria mpisorona.
- 11 Ary Oria mpisorona dia nanao alitara: araka ny marika rehetra nampitondrain’ i Ahaza mpanjaka avy tany Damaskosy no nanaovan’ i Oria mpisorona azy mandra-pihavin’ i Ahaza mpanjaka avy tany Damaskosy.
- 12 Ary nony tonga avy tany Damaskosy ny mpanjaka, dia nandeha nizaha azy izy ary nanatona ka nanatitra fanatitra teo amboniny.
- 13 Ary nandoro ny fanatitra dorany sy ny fanatitra hohaniny teo izy ary nanidina ny fanatitra aidiny sady nanopy ny ran’ ny fanati-pihavanany tamin’ ny alitara.
- 14 Ary ny alitara varahina kosa, izay teo anatrehan’ i Jehovah, dia nafindrany hiala eo anoloan’ ny trano dia eo anelanelan’ ny alitara vaovao sy ny tranon’ i Jehovah ka nataony teo avaratry ny alitarany.
- 15 Ary Ahaza mpanjaka nandidy an’ i Oria mpisorona hoe: Eo ambonin’ ny alitara lehibe no andoroy ny fanatitra dorana maraina sy ny fanatitra hohanina hariva sy ny fanatitra dorana mbamin’ ny fanatitra hohanina izay ho an’ ny mpanjaka, ary ny fanatitra dorana mbamin’ ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina izay ho an’ ny vahoaka rehetra ary ny rà rehetra avy amin’ ny fanatitra dorana sy ny fanatitra alatsa-drà hafa dia hatopinao aminy; ary ny amin’ ny alitara varahina dia mbola hataoko fanontanian-javatra
- 16 Ary Oria mpisorona dia nanao araka izay rehetra nandidian’ i Ahaza mpanjaka.
- 17 Ary nesorin’ i Ahaza mpanjaka ny kibon ny fitoeran-tavin-drano; ary nesoriny ny tavin-drano, ary ilay tavin-drano lehibe dia nampidininy niala tamin’ ireo omby varahina: izay teo ambaniny ka nataony teo ambony lampivato.
- 18 Ary ny Fialofana tamin’ ny Sabata, izay natao teo akaikin’ ny trano, sy ny fidirana ivelany izay an’ ny mpanjaka, dia nafindrany ho ao an-tranon’ i Jehovah noho ny tahony ny mpanjakan’ i Asyria.
- 19 Ary ny tantaran’ i Ahaza sisa, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Joda va izany?
- 20 Ary Ahaza lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao amin’ ny razany tao an-Tanànan’ i Davida izy; ary Hezekia zanany nanjaka nandimby azy.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.