-
2 Kings 3
- 1 Ary Jorama, zanak’ i Ahaba, vao nanjaka tamin’ ny Isiraely tao Samaria tamin’ ny fahavalo ambin’ ny folo taona nanjakan’ i Josafata, mpanjakan’ ny Joda, ary nanjaka roa ambin’ ny folo taona izy.
- 2 Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah koa izy, nefa kosa tsy dia tahaka an-drainy, na tahaka an-dreniny; fa nanaisotra ilay tsangam-baton’ i Bala izay nataon’ drainy izy;
- 3 nefa izy nikikitra tamin’ ny fahotan’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely, fa tsy niala tamin’ izany.
- 4 Ary Mesa, mpanjakan’ i Moaba, nanana ondry betsaka; ary nandoa hetra ho an’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izy, dia zanak’ ondry iray hetsy sy ny volon’ ondrilahy iray hetsy.
- 5 Fa rehefa maty Ahaba, dia niodina tamin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely ny mpanjakan’ i Moaba.
- 6 Ary Jorama mpanjaka nivoaka avy tany Samaria tamin’ izany andro izany ka nandamina ny Isiraely rehetra.
- 7 Ary nandeha izy, dia naniraka tany amin’ i Josafata, mpanjakan’ ny Joda, ka nanao hoe: Ny mpanjakan’ i Moaba efa niodina tamiko: koa mba hiaraka amiko va ianao hiady aminy? Ary hoy izy: Eny, handeha aho, fa tahaka ny tenanao ihany aho, ka ny oloko dia olonao, ary ny soavaliko dia soavalinao.
- 8 Ary hoy izy: Aiza ary no lalana halehantsika? Ary izy namaly hoe: Ilay mamaky ny efitr’ i Edoma.
- 9 Dia nandeha ny mpanjakan’ ny Isiraely sy ny mpanjakan’ ny Joda ary ny mpanjakan’ i Edoma; ary nandeha nanodidina lalan-kafitoana izy; ary tsy nisy rano ho an’ ny miaramila sy ny biby fiompy izay nentiny.
- 10 Dia hoy ny mpanjakan’ ny Isiraely: Indrisy! Jehovah efa niantso ireto mpanjaka telo ireto mba hatolony eo an-tànan’ i Moaba.
- 11 Ary hoy Josafata: Tsy misy mpaminanin’ i Jehovah va eto hanontaniantsika amin’ i Jehovah? Ary nisy anankiray tamin’ ny mpanompon’ ny mpanjakan’ ny Isiraely namaly ka nanao hoe: Ato ihany Elisa, zanak’ i Safata, ilay mpanondra-drano ny tànan’ i Elia.
- 12 Ary hoy Josafata: Ao amin’ izy io tokoa ny tenin’ i Jehovah. Dia nidina nankany amin’ i Elisa ny mpanjakan’ ny Isiraely sy Josafata ary ny mpanjakan’ i Edoma.
- 13 Ary hoy Elisa tamin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely: Moa mifaninona akory izaho sy ianao? Mandehana any amin’ ny mpaminanin-drainao sy ny mpaminanin-dreninao ianao. Fa hoy ny mpanjakan’ ny Isiraely taminy: Tsia, fa Jehovah efa niantso ireto mpanjaka telo ireto mba hatolony eo an-tànan’ i Moaba.
- 14 Dia hoy Elisa: Raha velona koa Jehovah, Tompon’ ny maro, Izay itsanganako eo anatrehany, raha tsy noho ny fanajako an’ i Josafata, mpanjakan’ ny Joda, dia tsy hanatrika anao na hijery anao akory aho.
- 15 Nefa itondray mpitendry lokanga aho. Ary rehefa nitendry ilay mpitendry lokanga, dia nanindry an’ i Elisa ny tànan’ i Jehovah.
- 16 Ary hoy Elisa: Izao no lazain’ i Jehovah: Ataovy feno lavaka ity lohasahan-driaka ity.
- 17 Fa hoy Jehovah: Tsy hahita rivotra na ranonorana akory ianareo; nefa ho feno rano io lohasahan-driaka io, mba hosotroinareo, dia ianareo sy ny ombinareo ary ny biby fiompinareo.
- 18 Ary ho zavatra kely ihany eo imason’ i Jehovah izany; fa hanolotra ny Moabita eo an-tananareo koa Izy.
- 19 Ary handrava ny tanàna mimanda rehetra sy ny tanàna soa rehetra ianareo sady hikapa ny hazo tsara rehetra sy hanampina ny loharano rehetra ary hanipy vato amin’ ny tany soa rehetra ho fanimbana azy.
- 20 Ary nony maraina, tokony ho tamin’ ny fotoana fanaterana ny fanatitra, dia, indro, nisy rano tokoa tonga avy tamin’ ny lalana mankany Edoma, ka feno rano ny tany.
- 21 Ary rehefa ren’ ny Moabita rehetra fa avy miakatra hiady aminy ireo mpanjaka ireo, dia nivory izy hatramin’ izay rehetra nahatam-piadiana no ho miakatra, ka dia niandry teo amin’ ny sisin-taniny.
- 22 Ary nony nifoha maraina koa ny Moabita, sady efa niposaka ny masoandro ka nitaratra tamin’ ny rano, dia hitany ny rano tandrifiny fa mena tahaka ny rà.
- 23 Dia hoy izy: Rà io! efa nifandringana tokoa ireo mpanjaka ireo, ary efa nifamely izy rehetra; koa mamaboa amin’ izao, ry Moaba!
- 24 Kanjo nony efa tonga teo an-tobin’ ny Isiraely izy, dia nitsangana ny Isiraely ka namely ny Moabita, dia nandositra teo anoloany ireo; fa ny Isiraely niditra hatrany amin’ ny tanin’ ny Moabita ka mbola namely azy ihany.
- 25 Dia nandrava ny tanàna izy ary samy nanipy vato tamin’ ny tany soa rehetra ka nahafeno azy, ary nanampina ny loharano rehetra koa izy sady nikapa ny hazo tsara rehetra mandra-paha-tsy nisy vato intsony afa-tsy ny tao Kira-haresa ihany; ary na dia io aza dia nohodidinin’ ny mpandefa antsamotady ka nasiany.
- 26 Ary rehefa hitan’ ny mpanjakan’ i Moaba fa tsy tohany ny ady, dia nitondra fiton-jato lahy nahay sabatra nomba azy izy mba hanivakivaka hitsin’ ny mpanjakan’ i Edoma; nefa tsy afaka izy.
- 27 Ary nalainy ny zanany lahimatoa, izay natao hanjaka handimby azy, ka nateriny ho fanatitra dorana teo ambonin’ ny manda. Dia niharan’ ny fahatezerana mafy ny Isiraely, dia niala taminy ary niverina ho any amin’ ny taniny izy.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.