-
1 Chronicles 15
- 1 Ary Davida nanao trano ho azy tao an-Tanànan’ i Davida sady namboatra fitoerana sy nanorin-day ho an’ ny fiaran’ Andriamanitra.
- 2 Ary tamin’ izay dia hoy Davida: Tsy misy tokony hitondra ny fiaran’ Andriamanitra afa-tsy ny Levita ihany, satria izy no efa nofidin’ i Jehovah hitondra ny fiaran’ Andriamanitra sy hanao fanompoam-pivavahana ho Azy mandrakizay.
- 3 Dia novorin’ i Davida tany Jerosalema ny Isiraely rehetra hampakatra ny fiaran’ i Jehovah ho any amin’ ny fitoerana izay namboariny ho azy.
- 4 Ary novorin’ i Davida ny taranak’ i Arona sy ny Levita:
- 5 tamin’ ny taranak’ i Kehata dia Oriela lehibeny sy ny rahalahiny roa-polo amby zato;
- 6 tamin’ ny taranak’ i Merary dia Asaia lehibeny sy ny rahalahiny roa-polo amby roan-jato;
- 7 tamin’ ny taranak’ i Gersona dia Joela lehibeny sy ny rahalahiny telo-polo amby zato;
- 8 tamin’ ny taranak’ i Elizafana dia Semaia lehibeny sy ny rahalahiny roan-jato;
- 9 tamin’ ny taranak’ i Hebrona dia Eliala lehibeny sy ny rahalahiny valo-polo,
- 10 tamin’ ny taranak’ i Oziela dia Aminadaba lehibeny sy ny rahalahiny roa ambin’ ny folo amby zato.
- 11 Ary Davida niantso an’ i Zadoka sy Abiatara mpisorona sy ny Levita, dia Oriela sy Asaia sy Joela sy Semaia sy Eliala ary Aminadaba,
- 12 ka nanao taminy hoe: Hianareo lohan’ ny fianakavian’ ny Levita, hamasino ny tenanareo, dia ianareo sy ny rahalahinareo, mba hampakaranareo ny fiaran’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ho ao amin’ ilay namboariko ho azy.
- 13 Satria tsy ianareo no tamin’ ilay teo, dia nasian’ i Jehovah Andriamanitsika isika, fa tsy nitady Azy araka ny voadidy.
- 14 Dia nanamasina ny tenany ny mpisorona sy ny Levita hampakatra ny fiaran’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
- 15 Ary ny Levita nilanja ny fiaran’ Andriamanitra tamin’ ny hazo, tahaka ny nandidian’ i Mosesy araka ny tenin’ i Jehovah.
- 16 Ary ireo lehiben’ ny Levita dia nasain’ i Davida nanendry ny mpihira rahalahiny hitondra ny zava-maneno, dia ny valiha sy ny lokanga ary hampaneno ny kipantsona, mba hanandra-peo amin’ ny fifaliana.
- 17 Ka dia notendren’ ny Levita Hemana, zanak’ i Joela; ary tamin’ ny rahalahiny dia Asafa, zanak’ i Berekia; ary tamin’ ny taranak’ i Merary rahalahiny dia Etana, zanak’ i Kosaia;
- 18 ary naman’ ireo ihany koa ny rahalahiny manarakaraka, dia Zakaria sy Bena sy Jaziela sy Semiramota sy Jehiela sy Ony sy Eliaba sy Benaia sy Mahaseia sy Matitia sy Elifeleho sy Mikneia sy Obed-edoma ary Jeiela, mpiandry varavarana.
- 19 Ary Hemana sy Asafa ary Etana mpihira dia nasaina nitondra kipantsona varahina hampanenoina.
- 20 Ary Zakaria sy Aziela sy Semiramota sy Jehiela sy Ony sy Eliaba sy Mahaseia sy Benaia no nasaina nitendry valiha tamin’ ny Alamota.
- 21 Ary Matitia sy Elifeleho sy Mikneia sy Obed-edoma sy Jeiela ary Azazia no nasaina nitendry ny lokanga tamin’ ny Seminita ho mpitarika.
- 22 Ary Kenania, lehiben’ ny Levita, no tonian’ ny fitondrana; ary nampianatra ny fitondrana izy, fa nahay.
- 23 Ary Berekia sy Elikana no mpiandry varavarana amin’ ny fiara.
- 24 Ary Sebania sy Josafata sy Netanela sy Amasay sy Zakaria sy Benaia ary Eliezera, izay samy mpisorona, no nitsoka ny trompetra teo alohan’ ny fiaran’ Andriamanitra, ary Obed-edoma sy Jehia koa no mpiandry varavarana amin’ ny fiara.
- 25 Ary Davida sy ny loholon’ ny Isiraely mbamin’ ny mpifehy arivo no nandeha hampakatra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah avy tao an-tranon’ i Obed-edoma tamin’ ny fifaliana.
- 26 Ary rehefa nomban’ Andriamanitra ny Levita izay nilanja ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah, dia namono vantotr’ ombilahy fito sy ondrilahy fito hatao fanatitra izy.
- 27 Ary niakanjo akanjo rongony fotsy madinika Davida, ary niakanjo toy izany koa ny Levita rehetra izay nitondra ny fiara ary ny mpihira sy Kenania, tonian’ ny fitondrana, mbamin’ ny mpihira; ary Davida nisalotra efoda rongony fotsy koa.
- 28 Toy izany no nampakaran’ ny Isiraely rehetra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah tamin’ ny fihobiana sy ny feon’ ny anjomara sy ny trompetra ary ny kipantsona sy tamin’ ny fitendrena ny valiha sy ny lokanga.
- 29 Ary nony tonga tao an-Tanànan’ i Davida ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah, dia nitsirika teo am-baravarankely Mikala, zanakavavin’ i Saoly, ka nahita an’ i Davida mpanjaka nibitaka sy nitsinjaka; ka dia nikizaka azy tao am-pony izy.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.