-
1 Chronicles 28
- 1 Ary novorin’ i Davida tany Jerosalema ny lehibe rehetra tamin’ ny Isiraely, dia ny lohan’ ny firenena sy ny komandin’ ny antokony Izay nanompo ny andriamanjaka, ary ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato sy ny mpitandrina ny harena mbanin’ ny fananana rehetra an’ ny mpanjaka sy ny zanany mbamin’ ny tandapa sy ny lehilahy mahery, dia ny lehibe rehetra.
- 2 Ary Davida mpanjaka nitsangana ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry rahalahiko sy ry vahoakako! Raha izaho, dia efa mby tato am-poko ny hanao trano fitsaharana ho an’ ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah sy ho an’ ny fitoeran-tongotr’ Andriamanitsika, ary efa novononiko izay ho enti-manao azy;
- 3 nefa hoy Andriamanitra tamiko: Tsy hanao trano ho an’ ny anarako ianao, satria lehilahy mpiady sy mpandatsa-drà.
- 4 Nefa kosa Jehovah, Andriamanitra ny Isiraely efa nifidy ahy tamin’ ny ankohonan’ ny raiko rehetra ho mpanjakan’ ny Isiraely mandrakizay; fa Joda no nofidiny ho mpanjaka, ary tamin’ ny taranak’ i Joda indray dia ny ankohonan’ ny raiko no nofidiny; ary tamin’ ny ankohonan’ ny raiko dia izaho kosa no nankasitrahany ka nataony mpanjaka amin’ ny Isiraely rehetra.
- 5 Ary tamin’ ny zanako rehetra (fa zanaka maro no nomen’ i Jehovah ahy) dia Solomona zanako no nofidiny hipetraka amin’ ny seza fiandrianan’ ny fanjakan’ i Jehovah hanjaka amin’ ny Isiraely.
- 6 Ary hoy Izy tamiko: Solomona zanakao no hanao ny tranoko sy ny kianjako, fa efa nifidy azy ho zanako Aho, ary Izaho ho rainy.
- 7 Ary hampitoetra ny fanjakany ho mandrakizay Aho, raha maharitra mitandrina ny didiko sy ny fitsipiko mandra-kariva izy tahaka ny amin’ izao anio izao.
- 8 Ary ankehitriny, eto anatrehan’ ny Isiraely rehetra, fiangonan’ i Jehovah, sy eto anatrehan’ Andriamanitsika, tandremo sy diniho ny didin’ i Jehovah Andriamanitrareo rehetra, mba hahatananareo ity tany soa ity, sady havelanareo ho lovan’ ny zanakareo mandimby anareo, mandrakizay izy.
- 9 Ary ianao, ry Solomona zanako, aoka ho fantatrao Andriamanitry ny rainao, ka manompoa Azy amin’ ny fo rehetra sy ny fanahy mazoto; fa Jehovah, dia mpandinika ny fo rehetra, ary ny fieritreretana rehetra dia fantany avokoa. Raha mitady Azy ianao, dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy kosa ianao, dia hariany mandrakizay.
- 10 Koa mitandrema; fa Jehovah efa nifidy anao hanao trano ho fitoerana masìna; dia mahereza ka mahefà.
- 11 Ary Davida nanome an’ i Solomona zanany ny sarin’ ny lavarangana fidirana sy ny tranony sy ny trano firaketany sy ny efi-trano ambony sy ny efi-trano anatiny ary ny trano misy ny rakotra fanaovam-panavotana,
- 12 ary ny sarin’ izay rehetra efa niseho tamin’ ny fanahiny; dia ny amin’ ny kianjan’ ny tranon’ i Jehovah sy ny efi-trano rehetra manodidina azy ho an’ ny rakitry ny tranon’ i Jehovah sy ny zavatra nohamasinina ho rakitra,
- 13 sy ho an’ ny antokon’ ny mpisorona sy ny Levita koa, ary ho an’ ny fanompoana rehetra ao an-tranon’ i Jehovah sy ho an’ ny fanaka rehetra ho enti-manompo ao an-tranon’ i Jehovah,
- 14 ary ny lanjan’ ny volamena hanaovana ny fanaka volamena samy hafa rehetra, ary ny lanjan’ ny volafotsy koa hanaovana ny fanaka volafotsy samy hafa rehetra,
- 15 ary ny lanjan’ ny volamena hanaovana ny fanaovan-jiro volamena sy ny lela fanaovan-jirony araka ny lanjany avy, ary ny lanjan’ ny volafotsy hanaovana ny fanaovan-jiro volafotsy sy ny lela fanaovan-jirony araka ny fombany avy,
- 16 ary ny lanjan’ ny volamena hanaovana ireo latabatra hametrahana ny mofo aseho, ary ny amin’ ny volafotsy ho amin’ ny latabatra volafotsy,
- 17 ary ny amin’ ny fitrebika sy ny lovia famafazana ary ny fitoeran-divay, izay samy volamena tsara, ary ny amin’ ny kapoaka misarona, na ny volamena, na ny volafotsy, araka ny lanjany avy,
- 18 ary ny lanjan’ ny volamena voadio hanaovana ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra; ary nomeny koa ny sarin’ ny kalesy, dia ny kerobima volamena, izay manana elatra mivelatra ka manaloka ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah.
- 19 Izany asa rehetra araka ny sary izany, hoy Davida, no nampahafantarin’ i Jehovah ahy tamin’ ny soratra avy tamin’ ny tànany, izay atỳ amiko.
- 20 Ary hoy koa Davida tamin’ i Solomona zanany: Mahereza sy matanjaha ka mahefà; aza matahotra na mivadi-po; fa Jehovah Andriamanitra, dia Andriamanitro, no momba anao; tsy handao na hahafoy anao Izy ambara-pahavitanao ny asa rehetra hanaovana ny tranon’ i Jehovah.
- 21 Ary indreo ny antokon’ ny mpisorona sy ny Levita hanao ny fanompoana rehetra ao an-tranon’ Andriamanitra; ary ao aminao hanampy amin’ ny asa samy hafa rehetra ny olon-kendry izay manolo-tena mba hahavita ny fanompoana rehetra sy ny mpifehy ary ny vahoaka rehetra hankatò ny didinao.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.