-
Exodus 17
- 1 Ary nifindra ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, ka niala tao an-efitra Sina, araka izay natoron’ i Jehovah hitobiany, dia nitoby tao Refidima; ary tsy nisy rano hosotroin’ ny olona.
- 2 Dia nila ady tamin’ i Mosesy ny olona ka nanao hoe: Omeo rano izahay mba hosotroinay. Fa hoy Mosesy taminy: Nahoana no mila ady amiko ianareo? Nahoana no maka fanahy an’ i Jehovah ianareo?
- 3 Ary nangetaheta teo ny olona, dia nimonomonona tamin’ i Mosesy izy ka nanao hoe: Nahoana ianao no nitondra anay niakatra niala tany Egypta hahafatin-ketaheta anay sy ny zanakay ary ny bibinay?
- 4 Ary Mosesy nitaraina tamin’ i Jehovah ka nanao hoe: Ahoana no hataoko amin’ ireto olona ireto? fa mila hitora-bato ahy izy.
- 5 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Mandrosoa eo alohan’ ny olona, ary itondray hiaraka aminao ny loholon’ ny Isiraely; ary ny tehinao, ilay nikapohanao an’ i Neily, dia ento eny an-tananao, ka mandehana.
- 6 Ary, indro, hijanona eo anatrehanao eo ambonin’ ny harambato any Horeba Aho, dia hikapoka ny harambato ianao, ka hisy rano hivoaka avy aminy hosotroin’ ny olona. Dia nanao izany Mosesy teo imason’ ny loholon’ ny Isiraely.
- 7 Ary ny anaran’ izany tany izany dia nataony hoe Masa sy Meriba, noho ny ady nataon’ ny Zanak’ Isiraely, sy noho ny nakany fanahy an’ i Jehovah hoe: Eto aminay va Jehovah, sa tsia?
- 8 Ary tonga ny Amalekita ka niady tamin’ ny Isiraely tao Refidima.
- 9 Dia hoy Mosesy tamin’ i Josoa: Mifidiana lehilahy ho antsika, dia mandehana ka miadia amin’ ny Amalekita; rahampitso dia hijoro eo an-tampon’ ny havoana aho ka hitana ny tehin’ Andriamanitra etỳ an-tanako.
- 10 Ary Josoa dia nanao araka izay efa nolazain’ i Mosesy taminy, ka niady tamin’ ny Amalekita izy; ary Mosesy sy Arona sy Hora kosa niakatra ho ao an-tampon’ ny havoana.
- 11 Ary raha nasandratr’ i Mosesy ny tànany, dia nahery ny Isiraely; fa raha nampidininy ny tànany, dia nahery kosa ny Amalekita.
- 12 Fa efa vizana ny tanan’ i Mosesy; ka dia naka vato izy roa lahy, ka nataony teo ambanin’ i Mosesy hipetrahany; ary Arona sy Hora dia nanohana ny tànany, ka ny iray tamin’ ny anila, ary ny iray kosa tamin’ ny anila; dia naharitra tsy nidina intsony ny tànany mandra-pahafatin’ ny masoandro.
- 13 Ary Josoa dia nandresy ny Amalekita sy ny olony tamin’ ny lelan-tsabatra.
- 14 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Soraty eo amin’ ny boky izany ho fahatsiarovana, ka ambarao amin’ i Josoa; fa hofoanako tokoa ny fahatsiarovana ny Amalekita tsy ho eny ambanin’ ny lanitra.
- 15 Dia nanorina alitara Mosesy ka nanao ny anarany hoe: Jehovah Nisi.
- 16 Fa hoy izy: Jehovah nianiana hoe: Ny adin’ i Jehovah amin’ ny Amalekita dia tsy hitsahatra hatramin’ izay taranany fara mandimby.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.