-
Numbers 29
- 1 Ary amin’ ny andro voalohany ny volana fahafito dia hisy fivoriana masìna ho anareo, aza manao tao-zavatra akory; ho andro fitsofan-trompetra ho anareo izany.
- 2 Ary izao no atero ho fanatitra odorana, ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah: vantotr’ ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak’ ondry fito, izay iray taona avy sady tsy misy kilema,
- 3 ary koba tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba azy (telo ampahafolon’ ny efaha amin’ ny isam-bantotr’ ombilahy iray, roa ampahafolon’ ny efaha amin’ ny isan-ondrilahy iray,
- 4 ary ampahafolon’ ny efaha amin’ ny isan-janak’ ondry, dia ny zanak’ ondry fito)
- 5 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, hanaovana fanavotana ho anareo,
- 6 ho fanampin’ ny fanatitra dorana noho ny voaloham-bolana sy ny fanatitra ho hanina momba azy ary ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, araka ny fanaony, ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah.
- 7 Ary amin’ ny andro fahafolo amin’ izany volana fahafito izany dia hisy fivoriana masìna ho anareo, dia hampahory ny tenanareo ianareo; aza manao raharaha akory.
- 8 Ary izao no atero ho fanatitra dorana ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah: vantotr’ ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak’ ondry fito izay iray taona avy (dia izay tsy misy kilema no haterinareo)
- 9 ary koba tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba azy (telo ampahafolon’ ny efaha amin’ ny isam-bantotr’ ombilahy iray, roa ampahafolon’ ny efaha amin’ ny isan-ondrilahy iray,
- 10 ary ampahafolon’ ny efaha amin’ ny isan-janak’ ondry, dia amin’ ny zanak’ ondry fito)
- 11 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin’ ny fanatitra noho ny ota hanaovana fanavotana sy ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
- 12 Ary amin’ ny andro fahadimy ambin’ ny folo amin’ ny volana fahafito dia hisy fivoriana masìna ho anareo; aza manao tao-zavatra akory, fa mitandrema ny andro firavoravoana hafitoana ho an’ i Jehovah.
- 13 Ary izao no atero ho fanatitra dorana, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah: vantotr’ ombilahy telo ambin’ ny folo sy ondrilahy roa ary zanak’ ondry efatra ambin’ ny folo, izay iray taona avy sady tsy misy kilema.
- 14 ary koba tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba azy (telo ampahafolon’ ny efaha amin’ ny isam-bantotr’ ombilahy, dia ny vantotr’ ombilahy telo ambin’ ny folo, ary roa ampahafolon’ ny efaha amin’ ny isan-ondrilahy, dia ny ondrilahy roa
- 15 ary ampahafolon’ ny efaha amin’ ny isan-janak’ ondry, dia ny zanak’ ondry efatra ambin’ ny folo)
- 16 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ny ota, ho fanampin’ ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
- 17 Ary amin’ ny andro faharoa koa dia vantotr’ ombilahy roa ambin’ ny folo sy ondrilahy roa ary zanak’ ondry efatra ambin’ ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,
- 18 ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin’ ny isam-bantotr’ ombilahy sy ny isan-ondrilahy ary ny isan-janak’ ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
- 19 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin’ ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
- 20 Ary amin’ ny andro fahatelo koa dia vantotr’ ombilahy iraika ambin’ ny folo sy ondrilahy roa ary zanak’ ondry efatra ambin’ ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,
- 21 ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin’ ny vantotr’ ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak’ ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
- 22 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin’ ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
- 23 Ary amin’ ny andro fahefatra koa dia vantotr’ ombilahy folo sy ondrilahy roa ary zanak’ ondry efatra ambin’ ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,
- 24 ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin’ ny vantotr’ ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak’ ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
- 25 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin’ ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
- 26 Ary amin’ ny andro fahadimy koa dia vantotr’ ombilahy sivy sy ondrilahy roa ary zanak’ ondry efatra ambin’ ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,
- 27 ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin’ ny vantotr’ ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak’ ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
- 28 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin’ ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
- 29 Ary amin’ ny andro fahenina koa dia vantotr’ ombilahy valo sy ondrilahy roa ary zanak’ ondry efatra ambin’ ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,
- 30 ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin’ ny vantotr’ ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak’ ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
- 31 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin’ ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
- 32 Ary amin’ ny andro fahafito koa dia vantotr’ ombilahy fito sy ondrilahy roa ary zanak’ ondry efatra ambin’ ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,
- 33 ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin’ ny vantotr’ ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak’ ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
- 34 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin’ ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
- 35 Ary amin’ ny andro fahavalo dia hisy fara-fivoriana ho anareo; aza manao tao-zavatra akory.
- 36 Ary izao no atero ho fanatitra odorana, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah: vantotr’ ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak’ ondry fito, izay iray taona avy sady tsy misy kilema,
- 37 ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin’ ny vantotr’ ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak’ ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
- 38 ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin’ ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
- 39 Ireo no haterinareo ho an’ i Jehovah amin’ ny fotoam-pivavahanareo afa-tsy ny fanati-panalamboadinareo sy ny fanati-tsitraponareo izay aterinareo ho fanatitra dorana sy fanatitra hohanina sy fanatitra aidina ary fanati-pihavanana.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.