-
2 Samuel 11
- 1 Ary rehefa niherina ny taona, ka mby amin’ ny andro fandehanan’ ny mpanjaka hiady, dia naniraka an’ i Joaba sy ny mpanompony ary ny Isiraely rehetra Davida, ka nandringana ny taranak’ i Amona ireo sady nanao fahirano an’ i Raha; fa Davida kosa nijanona tany Jerosalema ihany.
- 2 Ary nony harivariva, dia niala tao am-pandriany Davida ka nitsangantsangana teo an-tampon’ ny lapa; ary raha teo izy dia nahatazana vehivavy mandro; ary ravehivavy dia tsara tarehy maha-te-hijery.
- 3 Ary Davida dia naniraka hanontany ny amin-dravehivavy. Ary nisy nanao hoe: Tsy iny va no Batseba, zanakavavin’ i Eliama, sady vadin’ i Oria Hetita?
- 4 Ary Davida naniraka olona ka nampaka azy; dia tonga tao aminy izy ka nandriany. Ary ravehivavy nanamasina ny tenany ho afaka tamin’ ny halotoany, dia nody tany an-tranony.
- 5 Ary nanan’ anaka ravehivavy ka naniraka hilaza tamin’ i Davida hoe: Manan’ anaka aho.
- 6 Ary Davida naniraka tany amin’ i Joaba hanao hoe: Asaovy mankaty amiko kely Oria Hetita. Dia nasain’ i Joaba nankany amin’ i Davida Oria.
- 7 Ary nony tonga teo amin’ i Davida izy, dia nanontaniany ny toetr’ i Joaba sy ny olona ary ny toetry ny ady.
- 8 Ary hoy Davida tamin’ i Oria: Andeha ary mody, ka sasao ny tongotrao. Ary Oria niala tao an-tranon’ ny mpanjaka, ary dia nampanarahina nahandro avy tao amin’ ny mpanjaka izy.
- 9 Nefa Oria nandry teo am-baravarana ny tranon’ ny mpanjaka, teo amin’ ny mpanompon’ ny tompony rehetra, fa tsy nidina nody tany an-tranony izy tsy akory.
- 10 Ary nisy nanambara tamin’ i Davida hoe: Tsy nidina nody tany an-tranony Oria. Dia hoy Davida tamin’ i Oria: Tsy avy lavitra va ianao? koa nahoana ianao no tsy midìna mody any an-tranonao?
- 11 Fa hoy Oria tamin’ i Davida: Ny fiara sy ny Isiraely ary ny Joda mitoetra amin’ ny trano rantsan-kazo; ary Joaba tompoko sy ny mpanompon’ ny tompoko mitoby any an-tsaha, ka izaho kosa va hody any an-tranoko hihinana sy hisotro ary handry amin’ ny vadiko? Raha velona koa ianao, ary raha velona koa ny ainao, tsy hanao izany aho.
- 12 Ary hoy Davida tamin’ i Oria: Mitoera ihany ary atỳ anio, fa rahampitso dia halefako ianao. Dia nitoetra tany Jerosalema androtrizay sy ny ampitson’ iny Oria.
- 13 Ary nasain’ i Davida izy, dia nihinana sy nisotro teo anatrehany, ka nomamoiny, ary nony hariva dia nivoaka izy ka nandry teo amin’ ilay nandriany teo amin’ ny mpanompon’ ny tompony ihany, fa tsy nidina nody tany an-tranony.
- 14 Ary nony maraina, Davida dia nanoratra taratasy ho any amin’ i Joaba, ka nampitondrainy an’ i Oria izany.
- 15 Ary izao no soratra nataony tao amin’ ny taratasy: Arosoinareo amin’ ny ady mafy Oria; dia ilaozy izy mba hasiany ho faty.
- 16 Ary raha mbola nanao fahirano ny tanàna Joaba, dia nanendry an’ i Oria ho eo amin’ izay hitany misy lehilahy mahery.
- 17 Ary ny mponina tao an-tanàna nivoaka hiady amin’ i Joaba, ka nahafatesana ny mpanompon’ i Davida, ary maty koa Oria Hetita.
- 18 Ary Joaba naniraka hilaza tsara any amin’ i Davida ny toetry ny ady;
- 19 ary nandidy ilay iraka izy hoe: Rehefa voalazanao tsara amin’ ny mpanjaka ny toetry ny ady,
- 20 ka tezitra ny mpanjaka ary manao aminao hoe: Nahoana no nanakaiky ny tanàna toy izany ianareo raha niady? Tsy fantatrareo va fa hitifitra eo amin’ ny manda izy?
- 21 Fa iza no namely an’ i Abimeleka, zanak’ i Jerobeseta? Moa tsy vehivavy va no nanjera vato fikosoham-bary taminy avy teo amin’ ny manda, ka dia maty tao Tebeza izy? Koa nahoana no nanakaiky ny manda ianareo? dia ataovy hoe: Oria Hetita mpanomponao mba maty koa.
- 22 Ary nandeha ilay iraka, dia tonga tamin’ i Davida ka nanambara taminy izay rehetra nanirahan’ i Joaba azy.
- 23 Ary hoy ny iraka tamin’ i Davida: Nahery noho izahay ireny, ary nivoahany tany an-tsaha izahay, ka dia nenjehinay hatreo anoloan’ ny vavahady kosa izy.
- 24 Ary ny mpitifitra teo amin’ ny manda nitifitra ny mpanomponao; ary nahafatesana ny mpanompon’ ny mpanjaka, ary Oria Hetita mpanomponao mba maty koa.
- 25 Dia hoy Davida tamin’ ny iraka: Izao no holazainao amin’ i Joaba: Aza malahelo amin’ izany ianao, fa ny sabatra tsy mifidy hasiana; herezo ihany ny adinao amin’ ny tanàna, ka ravao izy. Ary omeo toky Joaba.
- 26 Ary nony ren’ ny vadin’ i Oria fa maty ny lahy, dia nisaona azy izy.
- 27 Ary rehefa afa-tsaona izy, dia nampanalain’ i Davida ho any an-tranony, ary dia novadiny izy ka niteraka zazalahy taminy. Nefa tsy sitrak’ i Jehovah izany nataon’ i Davida izany.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.