-
2 Corinthians 8
- 1 Ary ampahafantarinay anareo, ry rahalahy, ny fahasoavan’ Andriamanitra izay nomena tao amin’ ny fiangonana any Makedonia;
- 2 fa tamin’ ny fahoriana be nizahan-toetra azy no nitomboan’ ny hafaliany, ary ny hamafin’ ny fahantrany no nampitombo ny hitsim-pony.
- 3 Koa vavolombelona aho fa araka ny zakany, eny, mihoatra noho ny zakany aza, sady araka ny sitrapony ihany, no nanomezany,
- 4 sady nangataka mafy taminay koa izy mba havelanay hikambana amin’ izany fanompoana ho an’ ny olona masìna izany;
- 5 ary tsy araka ny nantenainay, fa ny tenany no natolony ho an’ ny Tompo aloha, dia ho anay koa noho ny sitrapon’ Andriamanitra;
- 6 ka dia nangataka an’ i Titosy izahay mba hahatanteraka izany fahasoavana izany eo aminareo koa, araka ny efa nanombohany azy teo aloha.
- 7 Fa araka ny itomboanareo amin’ ny zavatra rehetra, na amin’ ny finoana, na amin’ ny teny, na amin’ ny fahalalana, na amin’ ny fahazotoana rehetra, na amin’ ny fitiavanareo anay, dia aoka ho araka izany koa no hitomboanareo amin’ izao fahasoavana izao.
- 8 Tsy milaza izany ho didy aho, fa noho ny zotom-pon’ ny sasany, mba hizaha toetra ny hamarinan’ ny fitiavanareo koa.
- 9 Fa fantatrareo ny fahasoavan’ i Jesosy Kristy Tompontsika, fa na dia nanan-karena aza Izy, dia tonga malahelo noho ny aminareo, mba hampanan-karena anareo ny alahelony.
- 10 Ary dia ambarako izay hevitro ny amin’ izany, fa mahatsara anareo izany, satria tsy ny fanaovana ihany, fa ny fikasana koa aza dia efa natombokareo teo alohan’ ny sasany hatry ny taon-itsy.
- 11 Ataovy tanteraka ary izany, ka tahaka ny nahazotoanareo fony nikasa, dia aoka ho tahaka izany koa ny hahatanterahanareo azy araka izay ananareo.
- 12 Fa raha misy ny fahazotoana, dia araka izay ananany no ankasitrahana, fa tsy araka izay tsy ananany.
- 13 Kanefa tsy ny hahatonga fitsaharana amin’ ny sasany ary fahoriana aminareo no anaovako izany,
- 14 fa ny mba hisy fitoviana, ka amin’ izao ankehitriny izao ny haben’ ny harenareo no hahafaka ny alahelon’ ireo, ary ny haben’ ny haren’ ireo kosa no hahafaka ny alahelonareo, mba hisy fitoviana,
- 15 araka ny voasoratra hoe: Ny nanangona be tsy nanana amby, ary ny nanangona kely tsy nanana ny tsy ampy.
- 16 Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay manome fahazotoana ho ao am-pon’ i Titosy ho anareo mitovy amin’ ny ahy.
- 17 Fa nanaiky ny fangatahanay ihany izy, nefa nazoto rahateo, ka sitrapony ihany no nandehanany nankany aminareo.
- 18 Ary ilay rahalahy izay nalaza amin’ ny filazantsara any amin’ ny fiangonana rehetra no nirahinay hiaraka aminy;
- 19 ary tsy izany ihany, fa efa notendren’ ny fiangonana koa izy ho namanay hiara-mandeha aminay hitondra izao fahasoavana izao, izay angoninay ho voninahitry ny Tompo sy ho vavolombelon’ ny fahazotoanay.
- 20 Ary mitandrina izahay mba tsy hisy hanome tsiny anay amin’ izao harena be angoninay izao;
- 21 fa miomana hanao izay mahamendrika izahay, tsy eo imason’ ny Tompo ihany, fa eny imason’ ny olona koa.
- 22 Ary nirahinay niaraka tamin’ ireo ilay rahalahinay izay efa hitanay mazoto matetika amin’ ny zavatra maro; fa ankehitriny mazoto kokoa izy noho ny haben’ ny fahatokiany anareo.
- 23 Raha ny amin’ i Titosy, dia namako izy sady mpiara-miasa amiko ho anareo; ary ireo rahalahinay, dia iraky ny fiangonana izy sady voninahitr’ i Kristy.
- 24 Koa amin’ izany asehoy aminy eo imason’ ny fiangonana ny famantarana mahamarina ny fitiavanareo sy ny reharehanay ny aminareo.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.