-
Isaiah 28
- 1 Lozan’ ny satro-boninahitra, izay reharehan’ ny mpimamo any Efraima, sy ny voninkazo mihamalazo amin’ ny firàvany tsara tarehy, izay eo an-dohan’ ny lohasaha lonaky ny fileon-divay.
- 2 Indro, ny Tompo manana izay mahery sady matanjaka, tahaka ny rivo-kavandra sy ny tafio-drivotra mandoza; Koa tahaka ny fandriaky ny rano be manafotra no hanjerany azy mafy ho amin’ ny tany.
- 3 Dia hohitsahin’ ny tongotra ny satro-boninahitra, Izay reharehan’ ny mpimamo any Efraima.
- 4 Ary ny voninkazo mihamalazo amin’ ny firàvany tsara tarehy, izay eo an-dohan’ ny lohasaha lonaka, dia ho tahaka ny voan’ aviavy mialin-taona, raha tsy mbola tonga ny fahavaratra, koa izay mahita azy dia mijery, ary raha vao raisiny, dia arapany.
- 5 Ary amin’ izany andro izany Jehovah, Tompon’ ny maro, dia ho satro-boninahitra tsara tarehy sy ho fehiloha firavaka ho an’ ny olony sisa,
- 6 Ary ho fanahy fitsarana ho an’ izay mipetraka eo amin’ ny fitsarana, sy ho hery ho an’ izay mampiverina ny ady hatreo am-bavahady.
- 7 Nefa ireo koa dia miraingiraingy azon’ ny divay ary mivembena azon’ ny toaka; Ny mpisorona sy ny mpaminany miraingiraingy azon’ ny toaka; Resin’ ny divay ireo; Mivembena azon’ ny toaka izy; Miraingiraingy amin’ ny fahitana izy ary midoladola eo amin’ ny fitsarana.
- 8 Fa feno loa sy loto ny latabatra rehetra, ka efa tsy misy madio hitoerana.
- 9 Iza no hampianariny fahalalana? Ary iza no hampahafantariny fianarana? Zaza vao notazana va? Ny vao nitsaha-nono va?
- 10 Fa didy anampy didy, didy anampy didy; Fitsipika anampy fitsipika, fitsipika anampy fitsipika; Kely etỳ, ary kely erỳ;
- 11 Eny, amin’ ny molotra miambakambaka sy amin’ ny fiteny baiko no hitenenany amin’ ity firenena ity,
- 12 Izay nilazany hoe: Ity no fitsaharana, ampitsaharo ny reraka, ary ity no famelombelomana; Nefa tsy nety nihaino ireo.
- 13 Ary ny tenin’ i Jehovah dia ho tonga didy anampy didy aminy tokoa, eny, didy anampy didy, fitsipika anampy fitsipika, fitsipika anampy fitsipika; Kely etỳ, ary kely erỳ, mba hanaovany dia mianotra, ka ho torotoro izy sy hofandrihana ary hosamborina.
- 14 Koa mihainoa ny tenin’ i Jehovah ianareo, ry mpaniratsira, izay manapaka ity firenena eto Jerosalema ity.
- 15 Satria ianareo manao hoe: Efa nanao fanekena tamin’ ny fahafatesana izahay ary efa nanao fifanarahana tamin’ ny fiainan-tsi-hita ka na dia ho avy aza ny loza manafotra, dia tsy hihatra aminy izany, fa ny lainga no nataonay ho fiarovana, ary ny fitaka ho fierena,
- 16 Dia izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, Izaho no efa nametraka vato ao Ziona, dia vato voazaha toetra, vato tsara izay fehizoro voaorina ho fanorenana mafy, ka tsy mba ho taitra izay mino.
- 17 Ny fitsarana no hataoko ho fitsipika, ary ny fahamarinana ho pilao; Hopaohin’ ny havandra ny lainga fiarovana, ary hindaosin’ ny rano ny fierena.
- 18 Hofoanana ny fanekenareo amin’ ny fahafatesana, ary tsy haharitra ny fifanarahanareo amin’ ny fiainan-tsi-hita raha ho avy ny loza manafotra, dia ho tonga fanitsakitsany ianareo.
- 19 Ary na oviana na oviana no ihaviany, dia hahatratra anareo izany; Fa isa-maraina isa-maraina no hihaviany, na andro na alina; Ary ny vokatry ny fahafantarana izany fianarana izany dia fangovitana ihany.
- 20 Fa fohy loatra ny farafara ka tsy azon’ ny olona ilamparana; Ary kely ny firakotra ka tsy maharakotra, raha misy te-hirakotra azy.
- 21 Fa Jehovah hitsangana tahaka ny teo amin’ ny tendrombohitra Perazima, ho tezitra tahaka ny teo amin’ ny lohasahan’ i Gibeona Izy, mba hanaovany ny asany tsy ilay fanaony mandrakariva anefa, ary hahavitany ny ataony tsy ilay vitainy mandrakariva anefa.
- 22 Koa dia aza maniratsira intsony ianareo, fandrao atao mafy ny famatorana anareo; Fa fahafonganana voatendry no efa reko tamin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Hamelezana ny tany rehetra.
- 23 Mihainoa ianareo, ka mandrenesa ny feoko; Mitandrema, ka mandrenesa ny teniko.
- 24 Moa ny mpiasa tany va miasa mba hamafy, na mitombo-doha sy mandravona ny taniny mandrakariva?
- 25 Rehefa voaravony tsara ny tany, moa tsy afafiny amin’ izay va ny voan’ ny nigela, ary tsy apariakany va ny komina, ary tsy alahany mitandahatra tsara va ny vary tritika sy ny vary hordea amin’ ny tany voafaritra ho azy Ary ny ampemby kosa eny an-tsisiny?
- 26 Fa Andriamaniny no manoro azy izay mety hataony, Eny, Izy no mampianatra azy.
- 27 Fa tsy ny kodia vy no ivelezana ny nigela, ary tsy ny kodian’ ny sariety no akodiadia amin’ ny komina; Fa ny nigela dia velezina amin’ ny fantàka, ary ny komina amin’ ny tehina.
- 28 Moa mongomongoiny va ny vary hatao mofo? Tsia, fa tsy veleziny na hampandehanany ny kodian’ ny sarietiny sy ny soavaliny lalandava izy; Tsy mongomongoiny tsy akory izy.
- 29 Izany koa dia avy amin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro; Fa mahagaga amin’ ny fisainana Izy Ary mahatalanjona amin’ ny fahendrena.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.