-
Esther 4
- 1 Nony fantatr’ i Mordekay izay rehetra efa natao, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitafy lamba fisaonana sady nihosin-davenona, dia nankeo afovoan’ ny tanàna ka nitaraina sy nidradradradra mafy;
- 2 ary tonga teo anoloan’ ny vavahadin’ ny mpanjaka aza izy; nefa tsy nisy nahazo niditra teo amin’ ny vavahadin’ ny mpanjaka, raha nitafy lamba fisaonana.
- 3 Ary tany amin’ ny isan-tokony tamin’ ny fanjakana rehetra nalehan’ ny tenin’ ny mpanjaka sy ny didiny dia nalahelo mafy ny Jiosy ka nifady hanina sy nitomany ary nidradradradra, sady maro no nandry tamin’ ny lamba fisaonana aman-davenona.
- 4 Ary niditra ny ankizivavin’ i Estera sy ny tsindranolahiny ka nilaza izany taminy. Dia nalahelo indrindra ny vadin’ ny mpanjaka, ka nampanatitra lamba hitafin’ i Mordekay izy mba hanesorany ny lamba fisaonana taminy; nefa tsy nety nandray izy.
- 5 Ary Estera niantso an’ i Hatàka, tsindranolahin’ i ny mpanjaka, izay notendreny hanompo azy, ka nampitondra teny azy ho any amin’ i Mordekay, mba hahafantarany izay anton’ izany.
- 6 Dia nivoaka Hatàka nankany amin’ i Mordekay ho eo an-kalalahana eo an-tanàna, dia ilay eo anoloan’ ny vavahadin’ ny mpanjaka;
- 7 dia nambaran’ i Mordekay taminy izay rehetra efa nanjo azy sy ny isan’ ny vola izay nokasain’ i Hamana haloa ho ao an-trano firaketan’ ny mpanjaka noho ny handringanana ny Jiosy.
- 8 Ary nomeny azy koa ny kopen’ ny lalàna, izay nantsoina tany Sosana handringanana azy, mba haseho amin’ i Estera hampahafantatra azy izany sy handidy azy hiditra ao amin’ ny mpanjaka mba hifona aminy sy hangataka eo anatrehany ho an’ ny fireneny.
- 9 Ary tonga Hatàka ka nanambara ny tenin’ i Mordekay tamin’ i Estera.
- 10 Fa Estera naniraka an’ i Hatàka indray hanao amin’ i Mordekay hoe:
- 11 Ny mpanompon’ ny mpanjaka rehetra sy ny olona isan-tokony eran’ ny fanjakany dia samy mahalala fa na iza na iza mankeo amin’ ny mpanjaka ho eo an-kianja anatiny, na lehilahy na vehivavy, nefa tsy nantsoina, dia misy lalàna iray ihany hahafaty azy, afa-tsy izay hotondroin’ ny mpanjaka amin’ ny tehim-bolamena hahavelona azy; ary izaho anefa dia tsy mbola nantsoina hiditra ao amin’ ny mpanjaka intsony telo-polo andro izay.
- 12 Dia nolazaina tamin’ i Mordekay ny tenin’ i Estera.
- 13 Ary Mordekay nampitondra valiny ho amin’ i Estera hoe: Aza manao anakampo fa ho afaka mihoatra noho ny Jiosy rehetra ianao, saingy ao an-tranon’ ny mpanjaka;
- 14 fa raha hangina mihitsy ianao amin’ izao andro izao, dia hisy fahafahana sy famonjena hiseho avy amin’ ny fitoerana hafa ho an’ ny Jiosy, fa ianao sy ny mpianakavin-drainao kosa dia haringana; ary iza no mahalala, fa angamba ho amin’ izao andro izao mihitsy no nanandratana anao ho amin’ ny fanjakana?
- 15 Dia nampitondra valiny ho any amin’ i Mordekay indray Estera ka nanao hoe:
- 16 Mandehana ary, vorio ny Jiosy rehetra izay mba ato Sosana ary mifadia hanina noho ny amiko, ka aza mihinana na misotro hateloana na andro na alina; ary izaho sy ny ankizivaviko hifady toy izany koa, ary amin’ izany no hidirako ao amin’ ny mpanjaka, na dia tsy araka ny lalàna aza; koa raha tàhiny maty aho, dia maty.
- 17 Dia lasa Mordekay ka nanao araka izay rehetra nandidian’ i Estera azy.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.